Rentrée It University Octobre 2014

Dans la même rubrique

«Pilule du lendemain » : tsy mandaitra raha be loatra

27/11/2014

Fomba iray azo isorohana ny vohoka tsy iriana ny « pilules du lendemain », izay pilina hanina ao anatin’ny 3 andro taorian’ny nanaovana firaisana ara-nofo tsy voaaro. Ny mahakasika azy io no ampahafantarina bebe kokoa anaroe mpamaky anio.

 Lire la suite...

Tsy fitovian’ny sokajin-drà eo amin’ny reny sy zaza : Mety haha-afa-jaza na mahatonga “jaunisse” ny zaza vao teraka

26/11/2014

Isan’ny mety tsy hahatomombana ny fitondrana vohoka ny tsy fitovian’ny sokajin-drà, na « rhésus » eo amin’ny reny sy ny zaza na ilay antsoina hoe : « incompatibilité foeto-maternelle ».

 Lire la suite...

Ireo fambaran’aretina tsotra, fa mety ho aretim-be

17/11/2014

Betsaka ireo olona no misalasala be vao manatona mpitsabo, na miandry ny aretina ho lasa lavitra vao tapa-kevitra hamonjy dokotera. Amin’ny ankapobeny anefa dia misy fambara foana miseho amin’ny vatana, rehefa tsy ara-dalàna izy. Ireto misy ohatra amin’izany fambara izany, izay tsy tokony ho atao tsinontsinona.

 Lire la suite...

RETINOBLASTOME Homamiadan’ny maso mahazo ireo zaza vao teraka ka hatramin’ny 5 taona

05/11/2014

Anisan’ny voaresaka matetika tato ho ato ny homamiadan’ny maso mahazo ny ankizy madinika. Mahatratra 7.000 isa ny tranga mahakasika azy io maneran-tany. Ho antsika eto Madagasikara kosa ,dia fantatra fa 20 isa isan-taona ireo tonga manatona ny hôpitaly HJRA Ampefiloha, raha tombanana ho 50 isa ireo tratra, saingy tsy fantatra.

 Lire la suite...

Marary lamosina, fantaro ny antony !

30/10/2014

Antsoina hoe : “douleur lombaire” ny fanaintainan’ny lamosina. Raha ny salan’isa dia olona 8 amin’ny 10 no efa niaina fanaintainan’ny lamosina, in-1 mandeha fara-faharatsiny, tamin’ny fiainany. Misy kosa ireo tranga manokana miseho amin’ny vehivavy, mahatonga ilay fanaintainan’ny lamosina eo aminy.

 Lire la suite...

Fery nanonitra taorian’ny didim-poitra : inona ny antony ?

29/10/2014

« Bonjour Dr Santé, natao didim-poitra tamin’ny fiandohan’ny volana septambra teo ny zanako. Tsy nety maina mihitsy anefa ilay fery fa vao mainka azy niteraka nana. Nentina tany amin’ny dokotera avy eo dia nomena fanafody, izay vao tsy naninona intsony. Inona no mety nahatonga izany ? Sao dia ilay izy natao tamin’ny andro mafana ? Mety hisy fiantraikany amin’ny filahiany izany ? » Mme Nomena, 31 taona, Itaosy

 Lire la suite...

Yaourt, hampitoniana rarin-tsaina

27/10/2014

Araka ny fikarohana iray dia manala rarin-tsaina ny fihinanana yaourt betsaka isan’andro, indrindra ho an’ny mpanala fanadinana.

 Lire la suite...

Santé

Sakafo mahafisaka ny kibo

12/07/2012

Zovy ny vehivavy 20 taona noho miakatra ka tsy maniry ny hanana kibo fisaka, izay heverina ho mariky ny hatsaram-bika ? Azo atao tsara ny manana io kibo fisaka io amin’ny alalan’ny sakafo , andramo ary!

 Tsy misy ny kisendrasendra eo amin’ny resaka bika aman’endrika fa ny fikarakarana no tena zava-dehibe ary manomboka amin’ny sakafo izany. Ho an’ireo izay efa nanandrana nampiasa vatana dia mahalala fa tsy mora ny mampihena sady manafisaka io faritra iray amin’ny vatana io. Tsy azo lavina fa ny fampihetseham-batana no tena zava-dehibe amin’ny fanafisahana ny kibo fa fameno ihany ny sakafo. Indraindray mantsy, rehefa reraky ny fampiasam-batana dia manezakezaka mihinana ireo sakafo rehetra hita. 

Indraindray, ny fijoro mihitsy no mahatonga ilay kibo ho lasa toa matavy satria mikombona ilay olona ka manjary lasa tsy mihenjana intsony ny nofon-kibony. Zavatra iray voalohany tokony ho hajaina, araka izany ny fijoro, raha te hanana kibo fisaka tsara. Manaraka izany ny fanetseham-batana, izay efa voalaza teo. Tsy voatery hanao fanatanjahantena be akory fa afaka mandihy ihany koa na manao zumba, izay efa malaza tokoa amin’izao fotoana izao.

 
 Raha ny sakafo kosa no hotenenina dia ireto ny tena tokony atao :
Mizàra mitsako miadana ary aoka tsy ho latsaky ny 20 mn ny fotoana isakafoanana mba hahatonga ny sakafo ho levona tsara.
Tazony ho 30g na 50g isan’andro ny “fibre” hanina. Ny sakafo izay tena ahitana “fibre” moa dia ireo voankazo, ny legioma ary ny anana manta. Tandremo fa raha betsaka loatra ny “fibre” dia manjary miteraka olana indray satria mety ho tratry ny “ballonements” izay mampibontsina ny kibo ihany koa.
Ireo legioma mantamanta no tena mahasoa. Azo atao ihany koa ny mihinana ireo misy lafarina fa atao amim-pahendrena fotsiny.
Aza atao ambanin-javatra ny hena sy ny atody izay manome hery kanefa tsy mampibontsina ny vavony sy ny kibo.
Tadidio fa mampitombo ny tahirin-drano eo anivon’ny kibo ny sira be loatra ao anatin’ny sakafo hanina. Aza dia tia sira loatra, araka izany, mba hampafisaka ilay kibo, izay mety ho rano no tena ao anatiny fa tsy tavy loatra.
Mihinàna zavatra misy “probiotique” tahaka ny yaourt, na fraomazy, izay tsy voatery hohanina amin’ny fatrany betsaka, mba hitsaboana ny taovam-pisakafoana ihany koa
 
Nanou   
 
 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo