26/01/2012
Raha ny fanadihadiana natao tany ivelany tany dia voalaza fa ny 39%n'ny lehilahy manam-bady sy ny 24%'ny vehiavy manam-bady no efa nampirafy ny vadiny. Marobe ireo tratry ny fakampanahy, any amin'ny toeram-piasana any, any amin'ny fikambanana isan-karazany any, eny an-dalana rehetra eny... Samy efa manam-bady saingy miaraka ihany. Inona no antony ? Inona no tena tadiavina ? Inona no vokany ?
26/01/2012
Vaovao ratsy ho an’ny ankamaroan’ny vehivavy, « Ny fanatanjahantena no lohalaharana amin’ny fampahiazan-tena fa tsy ny otra ». Tsy mandrakizay ny vokatry ny otra mampahia na dia mazava aza fa mandaitra izy ary tsy mandreraka. Tombony ho an’ny vehivavy ihany koa ny manana olona mikarakara sy manoro hevitra ary misava lalana mandritry ny fotoana hampahiazan-tena. Ezaka sy fitandremana amin’ny fomba fiainana manontolo aorian’izany anefa no hitazonana ilay bika azo avy aminy.
26/01/2012
Rehefa tsy misy hamandoana intsony ao amin’ny fivaviana dia izay no antsoina hoe « sécheresse vaginale ». Miteraka olana be eo amin’ny fiainan’ny vehivavy izy io matetika satria na dia fiainana ara-pananahany aza dia voatohitohina. Misy antony ara-pahasalamana mahatonga azy izay tsy azo atao ambanin-javatra mihitsy. Azo atao tsara anefa ny mitsabo azy.
26/01/2012
Mbola tanora tokoa ny vahinintsika androany. Vao 20 taona izy ary nifidy ny hihira mba hitoriana ny filazantsara, saingy amin’ny endriny hafakely. Andeha ho fantarintsika bebe kokoa ny mahakasika azy.
26/01/2012
Efa hita taratra nandritra iny faraparan’ny taona 2011 iny ihany ny ho lamaodin’ny taovolo 2012 : ny taovolo tsotra fa asiana haingony isan-karazany. Mamoaka ny hakanton’ny vehivavy izy ireny nefa mifangaro hajejoana, toa mifono zava-dalina,…Ampahany amin’ireo taovolo sy haingo no entina aminao anio mba ho jejojeo sy maharaka hatrany ny mpamaky ny Jejoo.
26/01/2012
Vitsy kokoa ny olona maniry ny hahazo aina raha mitaha amin’ireo te hihena. Misy dia misy tokoa anefa ny olona mihavi-tena ho mahia loatra ka te hatavy. Ity ary misy “régime” iray atolotra ho azy ireny, ary azon’ireo mpanao fanatanjahantena te hampitombo hozatra arahina ihany koa.
26/01/2012
Samy hafa ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny lafin-javatra maro. Samy manana ny fitiavany, samy manana ny zavatra eritreretiny nefa izay no mampifameno azy. Inona ary ny zavatra tadiavin’ny lehilahy ary inona no tadiavin’ny vehivavy ao aorian’ny firaisana ara-nofo ?